<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.J. Guantlett</author>
<hymn_number>178</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia, Fanahy ô !
 Midina Hianao
 Hanova ny fo vatonay,
 Ho tonga fo vaovao !

[V2]
 Izay afafinay,
 Tondrahan-drano koa,
 Tsy mety misy vokatra
 Raha tsy ambininao.

[V3]
 Fenoy ny herinao
 Ny fon'ny olona,
 Hamelona finoana
 Sy fitiavana !

[V4]
 Fanahy Masina ô !
 Tahio ny asa atao,
 Ampandrosoy am-po
 Ny hasoavanao !</lyrics>
<title>Avia Fanahy o, midina Hianao FFPM178</title>
</song>